HISIAN’NY FITONIANA
« CONSEIL DU FAMPIHAVANANA MALAGASY »
CFM
ANTSO HO AMIN’NY FANAJANA NY SOATOAVINA MALAGASY
HISIAN’NY FITONIANA
- Manoloana ny olana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy, na ara-tsosialy na ara-toe-karena ary manampy trotraka an’izany ny lafiny ara-politika ka miteraka fahasahiranana sy tebiteby.
- Potika ny Soatoavina satria: teny mandratra, tsy tokony ho renesin’ny sofina akory, feo sy endrika feno fahavinirana, izany no iainana ankehitriny.
- Toa tsy afaka mifampiresaka mivantana intsony raha tsy amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera samihafa ! Ny serasera izay tokony miabo mba hampiombona, kanefa dia lasa fitaovana mampisy fisaraham-bazana ary raha mitohy dia hiteraka herisetra.
Koa manoloana ireo zava-misy ankehitriny ireo.
DIA :
- Mampahatsiahy ny « Conseil du Fampihavanana Malagasy», ny Hasin’ny Fahamarinana sy ny Fihavanana maha iray antsika Malagasy.
- Manao ANTSO AVO ho amin’ny TENA FIHAVANANA ka HIFEHY TENY SY HIFEHY TENA ary hitandro hatrany ny fifanajana.
NOHO IZANY :
- Mandray ny andraikitra manandrify azy, ho tohin’izao Antso izao ny CFM.
Efa nitera-doza loatra teto amintsika ny fisaraham-bazana izay mitarika mankany amin’ny fahantrana lalina koa handeha hosorohana. Izay mampiombona toy ny : fahamarinana, fifanajana, fifampihainoana, firaisankina sy fihavanana no andao hiaraha-miatrika.
« Malagasy mihavana, Vahoaka milamina, Firenena mandroso ».
Ny Birao Maharitra