« CONSEIL DU FAMPIHAVANANA MALAGASY »
CFM
ANTSO AVO HO AN’NY MPIRAY TANINDRAZANA
Misedra zava-tsarotra isika Malagasy amin’izao fotoana izao, toe-javatra izay mitaky sy manery antsika hiray hina bebe kokoa ary hiaina ny tena Fihavanana :
- Ny tsy fandriampahalemana, na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe
- Ny fahantrana sy ny kere manery ireo mpiray tanindrazana hifindra monina sy ireo olana marolafy aterak’izany, izay mety hitera-doza raha tsy voavaha haingana.
- Manampy trotraka indray koa ny fisondrotry ny vidim-piainana, noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny zava-misy maneran-tany, eo ihany koa ny savorovoro ara-politika.
Hany ka mitady ho very fanahy mbola velona ny Malagasy.
Iray isika Malagasy, araka ny fiteny mahazatra manao hoe « fia an-daka raiky », ka iza indray no handrasantsika handrindra ny fiainantsika ?
Isaorana ny Mpitondra ny amin’izay ezaka rehetra efa natao sy mbola hatao ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny Malagasy, indrindra ireo marefo izay tsy mitsaha-mitombo ankehitriny, ka mila fanampiana haingana ary fikarohana sy fampiharana fepetra maharitra.
KOA MANAO ANTSO AVO IZAHAY ETO ANIVON’NY CFM :
- Aoka tsy hisy mihitsy hanararaotra an’ireo Mpiray tanindrazana izay efa vesaran’ny fahasahiranana samihafa.
- Aoka hifampitsinjo sy hifampitsimbina, araka ny fitenintsika manao hoe : « Tery omby ririnina ka tsy hahabotry ny zanany ary tsy hankahia ny reniny ».
- Atsaharo ny fifandrangitana.
- Manentana hatrany izahay CFM ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fifanajana, koa : mahaiza isika mifampiresaka sy mifampihaino, mba hahitana hatrany vaha-olana iraisana, ho amin’ny Fitoniana hisian’ny Fampandrosoana.
Natao teto Antananarivo, ny 18 jolay 2022
Amin’ny anaran’ny « Conseil du Fampihavanana Malagasy »
Ny Filoha