VONDRONA PANORAMA NORAISINA TAO AMIN’NY CFM (08.12.2021)

Ny solontenan’ny Vondrona mpanohitra (Groupe PANORAMA) ahitana ireo antoko mpanohitra maromaro dia tonga nihaona tamin’ny Filohan’ny CFM, MAKA Alphonse, ny Filoha lefitra avy any Toamasina, ny Jeneraly Jean-Jacques Rasolondraibe, sy ireo mpiara-miasa aminy. Nitondra fehinkevitr’izy ireo momba ny fanatsarana ny fizotry ny fifidianana eto amintsika no aton-dia.

Hoy indindra Rakotovazaha Olivier, solontenan’izy ireo, nanazava « Tonga eto izahay hanolotra fehin-kevitra ho fanatsarana ny fifidianana eto amin’ny firenena. Izany fehin-kevitra izany moa dia hatolotra ny andrimpanjakana rehetra, ka ny CFM no anombohanay azy ». Ary nanantitra izy fa « ny andransanay amin’ny CFM moa amin’izany dia ny asany amin’ny fampihavanampirenena, mba ho fifidianana madio sy mangarahara no hisy eto amintsika fa tsy fandrombahana fahefana ».

Ny Filohan’ny CFM kosa dia nanoritra fa « voalohany dia misaotra ny « groupe panorama » nanatitra ny fehin-kevitr’izy ireo ho fanatsarana ny fifidianana. Izahay amin’ny maha Andrimpanjakana misahana ny Fihavanampirenena anay moa dia mandala hatrany ny fifampiresahana, ny fifanantonana. Ary tokony ho modely ho an’ny herivelona rehetra eto Madagasikara izao. Ny andrasan’izy ireo aminay dia ny hisian’ny fitoniana mba hisian’ny fifidianana madio sy mangaraharaha. Andraikitray tokoa ny fametrahana ny fifampiresahana sy fifampidinihana eto amin’ny firenena mba hampilamina ny fifidianana. Ka ho dinihinay ato amin’ny CFM izany soso-kevitra izany »

décembre 2021
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031  

Visiteurs

0136142
Visit Today : 270
This Month : 476
Total Visit : 136142
Who's Online : 12