Tamin’ny kabarim-panokafana dia nanoritra ny filoha fa « ity fivoriana ity dia handinihana lohahevitra maro samihafa ary mety hisy koa fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ireo lohahevitra ireo any ampamaranana. Ankoatran’ireo antontan-taratasy momba ny famotsoran-keloka (dossiers d’amnistie) sy ny fanonerana arakasa (dossiers de réparation de carrière) dia miompana indrindra amin’ny fametrahana paikady isorohana izay mety ho disadisa hitranga amin’ny firenentsika, satria efa manakaiky ny fotoam-pifidianana, indrindra ny filoham-pirenena amin’ny taona 2023. Hiezaka hitondra vahaolana ny CFM ; fa tsy mivaona amin’ny foto-kevitry ny lalana 2016-037 ny taona 2017 momba ny fampihavanam-pirenena. Mbola ho ela ihany ny taona 2023 saingy tsy maintsy sorohina dieny izao izany».
« Hikarakara « team building » izahay mpikambana ato amin’ny CFM mandritra ny telo andro handinihana ny lalan-kizorana taorian’ireo fihaonana tamin’ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena : ny mpanao politika eo amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra, ny fiarahamonim-pirenena, ny raiamandreny ara-drazana, ny raiamandreny amapnahy. Maro ny soso-kevitra avy amin’ ireo antokon’olona ireo ka mila dinihina. Ny fidinana ifotony nataon’ny mpikambana ato amin’ny CFM isam-paritra koa dia manampy amin’ny fitadiavambahaolana ».
Taorian’izay dia namintina ny dingana vitan’ny CFM nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona ny filohany :
- Fanambarana miantso fitoniana momba ny raharaha fifofoana ny ain’ny Filoham-pirenena
- Fametrahana ny Kianja maitso sy ny SIF na ny sehatra ifampiresahana (Espace de dialogue) andravonana ny disadisam-piarahamonina eny anivon’ny Kominina sy
- Ny fampihavanana ny foko Bara sy Antandroy tany amin’ny faritra
- Momba ny famontsoran-keloka dia nisy lanonana ofisialy natao isam-paritra, araka ny fangatahan’ireo voakasika, nanolorana ny taratasy tamin’izy Ary marihina fa ny fanapahan-kevitry ny CFM (décision d’amnistie) dia mihantra avy hatrany ary tsy azo anaovana fampakarana.
- Momba ny fanonerana arakasa (reparation de carrière) dia hisy dinika miaraka amin’ny minisiteran’ny fiarovana mikasika an’ireo miaramila nahazo
- Momba ny fanonerana ara-bola (indemnisation) dia miandry ny didy fampiharana (décret d’application) isika ; na izany aza dia efa nisy ny dinika niarahan’ny teknisianin’ny CFM sy ireo avy amin’ny ministeran’ny Fitsarana sy ny Fitantanambola natao tamin’ny herinandro teo ho famolavolana io didy io (projet de décret).
- Ny fifindramonina anatiny (migration interne) koa dia anisan’ny nitondran’ny CFM anjara birikiny koa satria mitarika olana amin’ny ara-tsosialy, ara tontoloiainana ary mampifandrafy ny samy malagasy .
Teo am-pamaranana dia nampatsiahy ny filohan’ny CFM fa androany ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana (journée internationale de la paix) ka irariana ny hisian’ny fandriampahalemana eto amintsika satria toa mirongatra ny tsy fandriampahalemana, raha tsy hitanisa afa tsy ny fanakanan-dalana miverina indray eny amin’ny lalam-pirenena, ny asan-dahalo toy ny nitranga tany Befotaka roa andro lasa izay ka ampolony ny olona maty.